plt_tn/pro/18/11.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voarony
Ny olona mpanan-karena miantehitra amin'ny hareny dia resahina toy ny hoe manda mafy orina izay miaro azy ny hareny. DH: "Miantehitra amin'ny hareny tahaka ny fianteheran'ny tanàna amin'ny manda mafy oriny ny olona mpanan-karena" (UDB)
# ny mpanan-karena
Entina ilazana ireo olona mpanan-karena io. DH: "ny olona mpanan-karena"
# tanàna voaarony
tanàna misy fiarovana mafy tahaka ny manda na tilikambo
# tahaka ny manda avo ao an'eritreriny
Io dia miresaka momba ny olona mpanan-karena izay mino fa hiaro azy tahaka ny manda avo izay miaro ireo izay ao an-tanàna ny hareny. DH: "mihevitra izy fa miaro azy tsara tahaka ny manda avo izany"
# Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona
"Amin'ny voalohany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa avy eo dia tonga ny faharavany"
# faharavany
Maneho fitotonganana lehibe eo amin'ny laza na fahasalaman'ny olona iray io.
# ny fon'ny olona
Eto dia ny fony no entina ilazana ny olona iray mba hanindriana ny eritreriny sy ny fahatsapany. DH: "ny olona"
# ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra
Ny teny hoe "fanetra-tena" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "voninahitra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy maintsy manetry tena ny olona iray vao afaka omem-boninahitra"