# Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voarony Ny olona mpanan-karena miantehitra amin'ny hareny dia resahina toy ny hoe manda mafy orina izay miaro azy ny hareny. DH: "Miantehitra amin'ny hareny tahaka ny fianteheran'ny tanàna amin'ny manda mafy oriny ny olona mpanan-karena" (UDB) # ny mpanan-karena Entina ilazana ireo olona mpanan-karena io. DH: "ny olona mpanan-karena" # tanàna voaarony tanàna misy fiarovana mafy tahaka ny manda na tilikambo # tahaka ny manda avo ao an'eritreriny Io dia miresaka momba ny olona mpanan-karena izay mino fa hiaro azy tahaka ny manda avo izay miaro ireo izay ao an-tanàna ny hareny. DH: "mihevitra izy fa miaro azy tsara tahaka ny manda avo izany" # Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona "Amin'ny voalohany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa avy eo dia tonga ny faharavany" # faharavany Maneho fitotonganana lehibe eo amin'ny laza na fahasalaman'ny olona iray io. # ny fon'ny olona Eto dia ny fony no entina ilazana ny olona iray mba hanindriana ny eritreriny sy ny fahatsapany. DH: "ny olona" # ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra Ny teny hoe "fanetra-tena" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "voninahitra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy maintsy manetry tena ny olona iray vao afaka omem-boninahitra"