plt_tn/pro/18/11.md

1.3 KiB

Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voarony

Ny olona mpanan-karena miantehitra amin'ny hareny dia resahina toy ny hoe manda mafy orina izay miaro azy ny hareny. DH: "Miantehitra amin'ny hareny tahaka ny fianteheran'ny tanàna amin'ny manda mafy oriny ny olona mpanan-karena" (UDB)

ny mpanan-karena

Entina ilazana ireo olona mpanan-karena io. DH: "ny olona mpanan-karena"

tanàna voaarony

tanàna misy fiarovana mafy tahaka ny manda na tilikambo

tahaka ny manda avo ao an'eritreriny

Io dia miresaka momba ny olona mpanan-karena izay mino fa hiaro azy tahaka ny manda avo izay miaro ireo izay ao an-tanàna ny hareny. DH: "mihevitra izy fa miaro azy tsara tahaka ny manda avo izany"

Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona

"Amin'ny voalohany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa avy eo dia tonga ny faharavany"

faharavany

Maneho fitotonganana lehibe eo amin'ny laza na fahasalaman'ny olona iray io.

ny fon'ny olona

Eto dia ny fony no entina ilazana ny olona iray mba hanindriana ny eritreriny sy ny fahatsapany. DH: "ny olona"

ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra

Ny teny hoe "fanetra-tena" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "voninahitra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy maintsy manetry tena ny olona iray vao afaka omem-boninahitra"