plt_tn/pro/09/03.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireto andininy ireo dia manomboka manome ny hafatry ny Fahendrena, izay raisina ho toy ny vehivavy.

Naniraka ireo mpiasa an-tranony izy

Nivoaka ary nanasa olona ho avy amin'ilay fety izay nokarakarain'ny Fahendrena ireo mpiasa an-trano ireo.

ireo mpiasa an-tranony

Tovovavy na zazavavy izay manompo vehivavy lehibe, manan-kaja, tahaka ny Fahendrena.

niantso

"nanambara" na "nampiantso" DH: "mamerina ny fanasany mafy izy"

toerana avo indrindran'ny tanàna

Vazavazaina eny amin'ny tendrony avo indrindra ilay fanasana mba ho ren'ny olona tsara.

Iza no bado? Aoka ... izay tsy ampy saina tsara

Ireo andian-teny roa ireo dia mamaritra ireo vondron'olona mitovy ihany, dia ireo izay mila fahendrena bebe kokoa eo amin'ny fiainany. Eto dia apetraka amin'ny olona rehetra tahaka izany ny fanontaniana. DH: "Izay rehetra bado, aoka ... izay rehetra tsy ampy saina tsara"

bado

"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"

hanatona ety

"miala amin'ny lalany ka mankaty an-tranoko"