plt_tn/pro/06/22.md

1.0 KiB

Raha mandeha ianao ... raha matory ianao ... raha mifoha ianao

Miara-ampiasaina ireo andian-teny ireo mba hanindriana fa sarobidy isan'andro ny fananarana.

hitari-dalana anao ireo ... hiambina anao ireo ... hampianatra anao ireo

Ny famerimberenana ireo andian-teny ireo dia mba hampisehoana fa manan-danja amin'ny karazan-javatra rehetra ny anatra. Io koa dia miresaka momba ny anatra toy ny hoe olona.

ny didy ... ny fampianarana ... ireo anatra ... avy amin'ny fampianarana

Ireo andian-teny telo ireo dia mitovitovy hevitra ihany, ary miara-mampiseho ireo fananarana isan-karazany izay ampianarin'ny ray sy reny ireo.

fanilo ... fahazavana ... lalan'ny fiainana

Izy telo rehetra ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averimberina mba hanindriana fa mahatsara sy mahamora ny fiainana kokoa ny anatra. DH: "fanilo tena ilaina ... tena manampy tahaka ny fahazavana ao amin'ny aizina ... tena ilaina arahina tahaka ny lalan'ny fiainana"

lalan'ny fiainana

"ny lalana mitondra ho amin'ny fiainana" na "ny fomba fiainana izay eken'Andriamanitra''