plt_tn/pro/02/14.md

717 B

Mifaly izy ireo

Ny hoe "izy ireo dia manondro ireo olona tao amin'ny 2:11 ihany.

finaritra amin'ny fahavetavetan'ny ratsy

Mitovitovy dika amin'ny ampahany voalohany amin'ny fehezateny ihany io. DH: "finaritra amin'ny fanaovana izay fantany fa ratsy

Manaraka lala-meloka izy ireo

Ny olona izay mandainga amin'ny hafa dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lala-meloka na lalana miolakolaka. DH: "Mamitaka ny olona hafa izy ireo"

ary nampiasa ny fitaka hanafenana ny lalany

Ny olona mandainga mba tsy hahitan'ny olona izay nataony dia resahina toy ny hoe saronan'izy ireo ny dian-tongotra eo amin'ny lalana mba tsy hisy hanaraka azy ireo. DH: "ary mandainga izy ireo mba tsy hisy hahalala izay nataony"