plt_tn/pro/02/01.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mampianatra ny zanany amin'ny fampiasana hai-kanto ny ray iray.

raha mandray ny teniko ianao

Eto ny "teny" dia entina ilazana fampianarana. DH: "raha mihaino izay ampianariko anao ianao"

raha mandray

Ity no manomboka ny fitohitohizan'ny fanambarana misy fepetra izay mifarana ao amin'ny 2:5. Raha tsotra kokoa amin'ny fiteninao, dia azonao atao ny mandika ireo fanambarana mamepetra ireo amin'ny endrika fandidiana tahaka ny ao amin'ny UDB.

raketinao ao aminao ireo didiko

Ny fanomezan-danja izay andidiana dia resahina toy ny hoe harena ireo didy ireo ary toerana azo antoka hitehirizana ilay harena ilay olona.

aoka ny sofinao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao

Raha nadikanao tamin'ny endrika fandidiana ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fandidiana ny 2:2, tahaka ny ao amin'ny UDB. Na, raha nadikanao tamin'ny endrika fanambarana misy fepetra ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fanambarana misy fepetra ihany koa ny 2:2. DH: "raha asainao mitandrina fahendrena ny sofinao ary atongilaninao ho amin'ny fahazavan-tsaiina ny fonao"

aoka ny sofinao hitandrina tsara

Fomba fiteny io. DH: "tereo hihaino tsara ny tenanao"

fahendrena

Io anarana io dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra io. DH: "mihaino ireo zavatra hendry ampianariko aminao"

atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao

Eto ny "fo" dia entina ilazana ny fisainan'ny olona. Ny andian-teny hoe "atongilano...ny fonao" dia fomba fiteny izay midika hoe hanao na hianolotra tanteraka ny sain'ny olona ho amin'ny asa iray. DH: "miezaha mafy hahatakatra izy hendry" (UDB) na "atolory feno ho amin'ny fahatakarana ny fampianarana hendry ny tenanao"