# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mampianatra ny zanany amin'ny fampiasana hai-kanto ny ray iray. # raha mandray ny teniko ianao Eto ny "teny" dia entina ilazana fampianarana. DH: "raha mihaino izay ampianariko anao ianao" # raha mandray Ity no manomboka ny fitohitohizan'ny fanambarana misy fepetra izay mifarana ao amin'ny 2:5. Raha tsotra kokoa amin'ny fiteninao, dia azonao atao ny mandika ireo fanambarana mamepetra ireo amin'ny endrika fandidiana tahaka ny ao amin'ny UDB. # raketinao ao aminao ireo didiko Ny fanomezan-danja izay andidiana dia resahina toy ny hoe harena ireo didy ireo ary toerana azo antoka hitehirizana ilay harena ilay olona. # aoka ny sofinao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao Raha nadikanao tamin'ny endrika fandidiana ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fandidiana ny 2:2, tahaka ny ao amin'ny UDB. Na, raha nadikanao tamin'ny endrika fanambarana misy fepetra ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fanambarana misy fepetra ihany koa ny 2:2. DH: "raha asainao mitandrina fahendrena ny sofinao ary atongilaninao ho amin'ny fahazavan-tsaiina ny fonao" # aoka ny sofinao hitandrina tsara Fomba fiteny io. DH: "tereo hihaino tsara ny tenanao" # fahendrena Io anarana io dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra io. DH: "mihaino ireo zavatra hendry ampianariko aminao" # atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao Eto ny "fo" dia entina ilazana ny fisainan'ny olona. Ny andian-teny hoe "atongilano...ny fonao" dia fomba fiteny izay midika hoe hanao na hianolotra tanteraka ny sain'ny olona ho amin'ny asa iray. DH: "miezaha mafy hahatakatra izy hendry" (UDB) na "atolory feno ho amin'ny fahatakarana ny fampianarana hendry ny tenanao"