plt_tn/pro/01/01.md

873 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Tononkalo ny andininy faha 2-33.

hampianatra fahendrena sy torolalana

Azo amboarina io teny io mba ho azo ambara amin'ny endrika mpamari-toetra na matoanteny ny teny hoe "fahendrena" sy "torolalana". DH: "hampianatranao mba ho hendry ary hanoro lalana anao ny amin'ny fomba hiainanao fiainana ara-moraly"

hampianatra ireo tenin'ny fahalalana

Eto ny teny hoe "teny" dia maneho hafatra na fampianarana. DH: "hanampy anao hahatakatra fampianarana hendry"

hahazoanao

Eto ny hoe "-nao" dia manondro ireo mpamaky. Raha mazava kokoa amin'ny fiteninao izany dia azonao ambara amin'ny endrika mampiditra ny rehetra hoe "isika." DH: "hahazoantsika"

hahazoanao torolalana mba hiaina

Azo amboarina io teny io mba ho azo ambara amin'ny endrika matoanteny ny teny hoe "torolalana". DH: "mba ho voatoro lalana amin'ny fomba fiaina"