plt_tn/num/16/01.md

1.1 KiB

Kehata

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.

Nitsangana hanohitra an'i Mosesy

Ny fikomiana na ny fanakianana olona ao amin'ny fahefana dia resahina toy ny hoe mitsangana mba hiady izy ireo. DH: "nikomy tamin'i Mosesy"

dimampolo sy roanjato

"250"

mpikambana fanta-daza teo amin'ny fiangonana

mpikambana malaza teo amin'ny fiangonana" na "olona manan-danja teo amin'ny fiangonana"

Lasa lavitra loatra ianareo

Io dia manambara ny fanaovana mihoatra noho izay tokony ataon'ny olona. DH: "Efa nanao mihoatra noho izay tokony ataonareo ianareo" na "Mihevitra ny hanana fahefana mihoatra noho ny tokony ho anareo ianareo"

Nahoana no manandratra ny tenanareo ho eo ambonin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh ianareo?

Mametraka io fanontaniana io ireo lehilahy mba hibedesana an'i Mosesy sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Diso ianareo nanandratra ny tenanareo ho ambonin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh"

anandratra ny tenanareo ho eo ambonin'ny ambin'ny

Ny fiheverana olona ho manan-danja dia resahina toy ny hoe fanandratana azy ambony. DH: "mihevitra ny tenanareo ho manan-danja kokoa noho ny sisa"