plt_tn/num/13/32.md

933 B

nanely...Hoy izy ireo

Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany afa-tsy Kaleba sy Josoa.

ny tany izay avy nozahany izy ireo

Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany anisan'izany Kaleba sy Josoa.

tany mihinana ny mponiny

Ny tany, na ny mponin'ny tany, izay mampidi-doza dia resahin'ireo lehilahy toy ny hoe mihinana ny mponina ilay tany. DH: "tany tena mampidi-doza" na "tany izay ao no hamonoan'ny olona anay"

Anaka

Io dia anaran-dehilahy.

Raha ny fijerinay manokana...raha ny fijerin'izy ireo

Eto ny hoe fijery dia manambara ny hevitra. DH: "Araka ny hevitray...araka ny hevitr'izy ireo"

tahaka ny valala isika raha ampitahaina amin'izy ireo

Miresaka ny valala ireo lehilahy mba hanehoana fa tena kely ny fiheveran'izy ireo ny tenany raha ampitahaina amin'ny mponin'ilay tany. DH: "kely tahaka ny valala isika raha oharina amin'izy ireo"