plt_tn/num/13/32.md

24 lines
933 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# nanely...Hoy izy ireo
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany afa-tsy Kaleba sy Josoa.
# ny tany izay avy nozahany izy ireo
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany anisan'izany Kaleba sy Josoa.
# tany mihinana ny mponiny
Ny tany, na ny mponin'ny tany, izay mampidi-doza dia resahin'ireo lehilahy toy ny hoe mihinana ny mponina ilay tany. DH: "tany tena mampidi-doza" na "tany izay ao no hamonoan'ny olona anay"
# Anaka
Io dia anaran-dehilahy.
# Raha ny fijerinay manokana...raha ny fijerin'izy ireo
Eto ny hoe fijery dia manambara ny hevitra. DH: "Araka ny hevitray...araka ny hevitr'izy ireo"
# tahaka ny valala isika raha ampitahaina amin'izy ireo
Miresaka ny valala ireo lehilahy mba hanehoana fa tena kely ny fiheveran'izy ireo ny tenany raha ampitahaina amin'ny mponin'ilay tany. DH: "kely tahaka ny valala isika raha oharina amin'izy ireo"