plt_tn/nam/02/01.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Manohy ny fanoritsoritana ny faharavan'i Ninive amin'ny hay kanto izay nanomboka tamin'ny 1:1 i Nahoma.

Ilay hanorotoro anao ho singa maromaro

Toy ny olona mamaky vilany ny sary. Azo andikana azy ny hoe: "Izy izay hamotika anareo"

Ilay hanorotoro anao

Tsy mazava ny hoe: "olona", fa raha adika amin'ny ankapobeny izany teny izany dia: "Ny olona izay mamakivaky anao ho singa."

Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo

Miomana amin'ny ady

Mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna

"Mametraka fiambenana ho fiarovana amin'ny tanàna" "Mametraka mpiambina amin'ny manda ho fiarovana"

Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely

Manalehibe an'i Jakoba sy Israely i Yaveh ny dikany teto, ary mankasitraka azy ireo indray ny olona.

Ireo mpandroba

Olona izay mangalatra ireo zavatra amin-kery, matetika amin'ny ady

Noravan'izy ireo

Nanimba ny zavatra rehetra

Nopotehina ireo sampam-boalobony

Toy ny nambolena hazom-boaloboka ny filazana ny firenena eto. DH: "ary nanongotra ny firenenareo toy ny tanim-boaloboka izy."