# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Manohy ny fanoritsoritana ny faharavan'i Ninive amin'ny hay kanto izay nanomboka tamin'ny 1:1 i Nahoma. # Ilay hanorotoro anao ho singa maromaro Toy ny olona mamaky vilany ny sary. Azo andikana azy ny hoe: "Izy izay hamotika anareo" # Ilay hanorotoro anao Tsy mazava ny hoe: "olona", fa raha adika amin'ny ankapobeny izany teny izany dia: "Ny olona izay mamakivaky anao ho singa." # Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo Miomana amin'ny ady # Mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna "Mametraka fiambenana ho fiarovana amin'ny tanàna" "Mametraka mpiambina amin'ny manda ho fiarovana" # Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely Manalehibe an'i Jakoba sy Israely i Yaveh ny dikany teto, ary mankasitraka azy ireo indray ny olona. # Ireo mpandroba Olona izay mangalatra ireo zavatra amin-kery, matetika amin'ny ady # Noravan'izy ireo Nanimba ny zavatra rehetra # Nopotehina ireo sampam-boalobony Toy ny nambolena hazom-boaloboka ny filazana ny firenena eto. DH: "ary nanongotra ny firenenareo toy ny tanim-boaloboka izy."