plt_tn/mrk/14/03.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Na dia tezitra aza ny sasany fa nampiasaina nanosorana an'i Jesosy ilay menaka, Jesosy nilaza fa ilay vehivavy dia nanosotra ny vatany alohan'ny hahafaty Azy.
# Simona boka
Io lehilahy io dia nanana fahabokana teo aloha teo fa tsy marary intsony izy izao. Simona hafa io fa tsy Simona Petera sy Simona ilay Zelota.
# raha nipetraka teo an-databatra Izy
Amin'ny fombafomban'i Jesosy, rehefa niangona mba hihinana ny olona, nipetraka teo amin'ny andaniny roa izy ireo, nipetraka ambonin'ny ondana eo alohan'ny latabatra iva.
# tavoara alabastara
Tavoara vita tamin'ny alasabatra. Ny Alasabatra dia vato mavo sy fotsy tena lafo. DH: "vato alasabatra fotsy tsara tarehy"
# misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony
"izay nisy ranomanitra lafo vidy antsoina hoe: narda." Ny narda dia menaka lafo vidy izay manitra sy fanaovana ranomanitra.
# teo amin'ny lohany
"teo amin'ny lohan'i Jesosy"
# Inona no anton'izao fandanindaniam-poana izao?
Izy ireo dia mametraka izany fanontaniana izany mba hampisehoana ny tsy fankatoavan'izy ireo ny fanosoran'ilay vehivavy menaka manitra amin'i Jesosy. DH: "Mampalahelo fa nariany fotsiny io ranomanitra io!"
# Io menaka manitra io dia afaka namidy
Marka dia te-hampiseho amin'ny mpamaky fa ireo izay teo dia liana tamin'ny resa-bola. DH: "Afaka namidintsika iny ranomanitra iny" na "Afaka namidiny iny ranomanitra iny"
# denaria telonjato
300 denaria. Volafotsy an'ireo Romana.
# ary nomena ny mahantra
Afaka atao hoe: "ary ny vola nomena an'ireo olona mahantra"