# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Na dia tezitra aza ny sasany fa nampiasaina nanosorana an'i Jesosy ilay menaka, Jesosy nilaza fa ilay vehivavy dia nanosotra ny vatany alohan'ny hahafaty Azy. # Simona boka Io lehilahy io dia nanana fahabokana teo aloha teo fa tsy marary intsony izy izao. Simona hafa io fa tsy Simona Petera sy Simona ilay Zelota. # raha nipetraka teo an-databatra Izy Amin'ny fombafomban'i Jesosy, rehefa niangona mba hihinana ny olona, nipetraka teo amin'ny andaniny roa izy ireo, nipetraka ambonin'ny ondana eo alohan'ny latabatra iva. # tavoara alabastara Tavoara vita tamin'ny alasabatra. Ny Alasabatra dia vato mavo sy fotsy tena lafo. DH: "vato alasabatra fotsy tsara tarehy" # misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony "izay nisy ranomanitra lafo vidy antsoina hoe: narda." Ny narda dia menaka lafo vidy izay manitra sy fanaovana ranomanitra. # teo amin'ny lohany "teo amin'ny lohan'i Jesosy" # Inona no anton'izao fandanindaniam-poana izao? Izy ireo dia mametraka izany fanontaniana izany mba hampisehoana ny tsy fankatoavan'izy ireo ny fanosoran'ilay vehivavy menaka manitra amin'i Jesosy. DH: "Mampalahelo fa nariany fotsiny io ranomanitra io!" # Io menaka manitra io dia afaka namidy Marka dia te-hampiseho amin'ny mpamaky fa ireo izay teo dia liana tamin'ny resa-bola. DH: "Afaka namidintsika iny ranomanitra iny" na "Afaka namidiny iny ranomanitra iny" # denaria telonjato 300 denaria. Volafotsy an'ireo Romana. # ary nomena ny mahantra Afaka atao hoe: "ary ny vola nomena an'ireo olona mahantra"