plt_tn/mrk/14/03.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Na dia tezitra aza ny sasany fa nampiasaina nanosorana an'i Jesosy ilay menaka, Jesosy nilaza fa ilay vehivavy dia nanosotra ny vatany alohan'ny hahafaty Azy.

Simona boka

Io lehilahy io dia nanana fahabokana teo aloha teo fa tsy marary intsony izy izao. Simona hafa io fa tsy Simona Petera sy Simona ilay Zelota.

raha nipetraka teo an-databatra Izy

Amin'ny fombafomban'i Jesosy, rehefa niangona mba hihinana ny olona, nipetraka teo amin'ny andaniny roa izy ireo, nipetraka ambonin'ny ondana eo alohan'ny latabatra iva.

tavoara alabastara

Tavoara vita tamin'ny alasabatra. Ny Alasabatra dia vato mavo sy fotsy tena lafo. DH: "vato alasabatra fotsy tsara tarehy"

misy menaka lafo vidy, izay narda tsy misy fangarony

"izay nisy ranomanitra lafo vidy antsoina hoe: narda." Ny narda dia menaka lafo vidy izay manitra sy fanaovana ranomanitra.

teo amin'ny lohany

"teo amin'ny lohan'i Jesosy"

Inona no anton'izao fandanindaniam-poana izao?

Izy ireo dia mametraka izany fanontaniana izany mba hampisehoana ny tsy fankatoavan'izy ireo ny fanosoran'ilay vehivavy menaka manitra amin'i Jesosy. DH: "Mampalahelo fa nariany fotsiny io ranomanitra io!"

Io menaka manitra io dia afaka namidy

Marka dia te-hampiseho amin'ny mpamaky fa ireo izay teo dia liana tamin'ny resa-bola. DH: "Afaka namidintsika iny ranomanitra iny" na "Afaka namidiny iny ranomanitra iny"

denaria telonjato

300 denaria. Volafotsy an'ireo Romana.

ary nomena ny mahantra

Afaka atao hoe: "ary ny vola nomena an'ireo olona mahantra"