plt_tn/mrk/13/30.md

1.2 KiB

Lazaiko marina aminareo

Manoro io fa ny hevitra manaraka eo dia tena marina tokoa ary manan-danja.

dia tsy ho tapitra

DH: "tsy ho faty"

mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany

"izany zavatra rehetra izany" dia maneho ireo andron'ny fahoriana.

ny lanitra sy ny tany

Maneho ny lanitra rehetra, ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ireo kintana, ary ireo planeta sy ny manerana ny tany rehetra. DH: "ny lanitra sy ny tany, ary ny zava-drehetra ao aminy"

Ho levona

"tsy hisy intsony." Eto ny fehezanteny dia maneho ny fiafaran'izao tontolo izao.

fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay

Jesosy dia miresaka momba ireo teny izay tsy mamoy ny heriny tahaka ny hoe zavatra izay tsy mety ho faty mandrakizay. DH: "tsy ho lany hery ireo teniko"

izany andro na ora izany

Izany dia maneho ny fotoana izay hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "izany andro na ora izay hiverenany izany"

na dia ireo anjely any an-danitra aza, na ny Zanaka

Izy ireo dia ao anatin'ny lisitr'ireo izay tsy mahalala ny hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "fa na dia ireo anjely any an-danitra na ny Zanaka aza tsy mahafantatra"

any an-danitra

Eto "ny lanitra" dia maneho ny fitoeran'Andriamanitra.

fa ny Ray ihany

"fa ny Ray ihany no mahafantatra"