plt_tn/mrk/13/30.md

40 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Lazaiko marina aminareo
Manoro io fa ny hevitra manaraka eo dia tena marina tokoa ary manan-danja.
# dia tsy ho tapitra
DH: "tsy ho faty"
# mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany
"izany zavatra rehetra izany" dia maneho ireo andron'ny fahoriana.
# ny lanitra sy ny tany
Maneho ny lanitra rehetra, ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ireo kintana, ary ireo planeta sy ny manerana ny tany rehetra. DH: "ny lanitra sy ny tany, ary ny zava-drehetra ao aminy"
# Ho levona
"tsy hisy intsony." Eto ny fehezanteny dia maneho ny fiafaran'izao tontolo izao.
# fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay
Jesosy dia miresaka momba ireo teny izay tsy mamoy ny heriny tahaka ny hoe zavatra izay tsy mety ho faty mandrakizay. DH: "tsy ho lany hery ireo teniko"
# izany andro na ora izany
Izany dia maneho ny fotoana izay hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "izany andro na ora izay hiverenany izany"
# na dia ireo anjely any an-danitra aza, na ny Zanaka
Izy ireo dia ao anatin'ny lisitr'ireo izay tsy mahalala ny hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "fa na dia ireo anjely any an-danitra na ny Zanaka aza tsy mahafantatra"
# any an-danitra
Eto "ny lanitra" dia maneho ny fitoeran'Andriamanitra.
# fa ny Ray ihany
"fa ny Ray ihany no mahafantatra"