# Lazaiko marina aminareo Manoro io fa ny hevitra manaraka eo dia tena marina tokoa ary manan-danja. # dia tsy ho tapitra DH: "tsy ho faty" # mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany "izany zavatra rehetra izany" dia maneho ireo andron'ny fahoriana. # ny lanitra sy ny tany Maneho ny lanitra rehetra, ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ireo kintana, ary ireo planeta sy ny manerana ny tany rehetra. DH: "ny lanitra sy ny tany, ary ny zava-drehetra ao aminy" # Ho levona "tsy hisy intsony." Eto ny fehezanteny dia maneho ny fiafaran'izao tontolo izao. # fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay Jesosy dia miresaka momba ireo teny izay tsy mamoy ny heriny tahaka ny hoe zavatra izay tsy mety ho faty mandrakizay. DH: "tsy ho lany hery ireo teniko" # izany andro na ora izany Izany dia maneho ny fotoana izay hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "izany andro na ora izay hiverenany izany" # na dia ireo anjely any an-danitra aza, na ny Zanaka Izy ireo dia ao anatin'ny lisitr'ireo izay tsy mahalala ny hiverenan'ny Zanak'Olona. DH: "fa na dia ireo anjely any an-danitra na ny Zanaka aza tsy mahafantatra" # any an-danitra Eto "ny lanitra" dia maneho ny fitoeran'Andriamanitra. # fa ny Ray ihany "fa ny Ray ihany no mahafantatra"