plt_tn/mrk/13/11.md

1.3 KiB

hanolotra anareo izy ireo

Izany dia midika hoe apetraka amin'ny fahefan'olon-kafa. DH: "hanolotra anareo amin'ireo manam-pahefana"

fa ny Fanahy Masina

Afaka atao hoe: "fa ny Fanahy Masina hiteny amin'ny alalanareo"

Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty

Izany dia midika fa ny rahalahy iray dia hamadika ny rahalahiny iray, ary izany dia hitarika ny fahafatesan'ny rahalahiny.

Ny rahalahy ... ny rahalahiny

Izany dia midika hoe rahalahy sy rahavavy. DH: "Mpiray tampo"

ary ny ray hanolotra ny zanany

Izany dia midika fa ny ray dia hamadika ny zanany, ary izany dia hitarika ny fahafatesan'ny zanany. DH: "ny rainy hanolotra ny zanany ho faty"

Ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny

"Ny zanaka hamaly ny ray aman-dreniny"

ka hahafaty azy ireo

Izany dia midika fa hampamono azy ireo ho faty ireo manam-pahefana. DH: "hahatonga ireo manam-pahefana hampamono azy ireo"

Ho halan'ny olon-drehetra ianareo

"Hankahala anareo ny olon-drehetra"

nohon'ny Anarako

Maneho an'i Jesosy. DH: "noho Izaho" na "nohon'ny finoanareo Ahy" (UDB)

Fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany

Izany dia midika hoe: manam-pinoana amin'Andriamanitra mandra-pahatapitry ny ainy. DH: "Andriamanitra hamonjy izay rehetra manam-pinoana Aminy, miaritra ireo fitsapana, mandra-pahatapitry ny ainy"