plt_tn/mrk/12/35.md

40 lines
1.8 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Raha mbola nampianatra tao an-tempoly Jesosy, dia nilaza izay notenenin'i Davida tao amin'ny soratra masina ary nampitandrina ny olona mba hitandrina ny amin'ny fomba fiainan'ny mpanora-dalàna.
# Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe:
Fotoana vitsivitsy izay no lasa ary ao an-tempoly Jesosy ankehitriny. Ity dia tsy anisan'ny resaka teo aloha. DH: "Tato aoriana, raha nampianatra tao amin'ny faritry ny tempoly Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny olona"
# Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida?
Jesosy nampiasa io fanontaniana io mba hampandinika lalina ny olona momba ny Salamo izay lazainy. DH: "Hevero hoe nahoana ireo mpanora-dalàna no miteny fa i Kristy dia zanak'i Davida."
# zanak'i Davida
Izany dia midika fa avy amin'ny taranak'i Davida Izy.
# tamin'ny Fanahy Masina
Izany dia midika fa notarihin'ny Fanahy Masina izy, ny Fanahy no nanoro azy tamin'izay noteneniny. DH: "notarihin'ny fanahy"
# nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe:
Eto Davida dia miantso an'Andriamanitra ho "Tompo" ary miantso an'i Kristy ho "Tompoko" DH: "niteny momba ny Mesia, 'Andriamanitra niteny tamin'ny Tompoko"
# mipetraha eo an-tanana ankavanako,
Izany dia teny avy ao amin'ny salamo izay notenenin'i Jesosy. Eto Andriamanitra dia miresaka amin'i Kristy.
# mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao
Amin'ity fitenenana ity, Andriamanitra dia milaza ny fandresena ireo fahavalo amin'ny fanaovana azy ireo ho fitoeran-tongotra. DH: "mandram-pandreseko tanteraka ireo fahavalonao"
# niantso Azy hoe 'Tompo,'
Eto ny teny hoe: "Azy" dia maneho ny Mesia.
# koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy?
Afaka atao ihany koa hoe: "koa ahoana no hiheverana fa zanak'i Davida ny Mesia"