plt_tn/mrk/12/35.md

1.8 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Raha mbola nampianatra tao an-tempoly Jesosy, dia nilaza izay notenenin'i Davida tao amin'ny soratra masina ary nampitandrina ny olona mba hitandrina ny amin'ny fomba fiainan'ny mpanora-dalàna.

Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe:

Fotoana vitsivitsy izay no lasa ary ao an-tempoly Jesosy ankehitriny. Ity dia tsy anisan'ny resaka teo aloha. DH: "Tato aoriana, raha nampianatra tao amin'ny faritry ny tempoly Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny olona"

Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida?

Jesosy nampiasa io fanontaniana io mba hampandinika lalina ny olona momba ny Salamo izay lazainy. DH: "Hevero hoe nahoana ireo mpanora-dalàna no miteny fa i Kristy dia zanak'i Davida."

zanak'i Davida

Izany dia midika fa avy amin'ny taranak'i Davida Izy.

tamin'ny Fanahy Masina

Izany dia midika fa notarihin'ny Fanahy Masina izy, ny Fanahy no nanoro azy tamin'izay noteneniny. DH: "notarihin'ny fanahy"

nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe:

Eto Davida dia miantso an'Andriamanitra ho "Tompo" ary miantso an'i Kristy ho "Tompoko" DH: "niteny momba ny Mesia, 'Andriamanitra niteny tamin'ny Tompoko"

mipetraha eo an-tanana ankavanako,

Izany dia teny avy ao amin'ny salamo izay notenenin'i Jesosy. Eto Andriamanitra dia miresaka amin'i Kristy.

mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao

Amin'ity fitenenana ity, Andriamanitra dia milaza ny fandresena ireo fahavalo amin'ny fanaovana azy ireo ho fitoeran-tongotra. DH: "mandram-pandreseko tanteraka ireo fahavalonao"

niantso Azy hoe 'Tompo,'

Eto ny teny hoe: "Azy" dia maneho ny Mesia.

koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy?

Afaka atao ihany koa hoe: "koa ahoana no hiheverana fa zanak'i Davida ny Mesia"