# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Raha mbola nampianatra tao an-tempoly Jesosy, dia nilaza izay notenenin'i Davida tao amin'ny soratra masina ary nampitandrina ny olona mba hitandrina ny amin'ny fomba fiainan'ny mpanora-dalàna. # Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe: Fotoana vitsivitsy izay no lasa ary ao an-tempoly Jesosy ankehitriny. Ity dia tsy anisan'ny resaka teo aloha. DH: "Tato aoriana, raha nampianatra tao amin'ny faritry ny tempoly Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny olona" # Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida? Jesosy nampiasa io fanontaniana io mba hampandinika lalina ny olona momba ny Salamo izay lazainy. DH: "Hevero hoe nahoana ireo mpanora-dalàna no miteny fa i Kristy dia zanak'i Davida." # zanak'i Davida Izany dia midika fa avy amin'ny taranak'i Davida Izy. # tamin'ny Fanahy Masina Izany dia midika fa notarihin'ny Fanahy Masina izy, ny Fanahy no nanoro azy tamin'izay noteneniny. DH: "notarihin'ny fanahy" # nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: Eto Davida dia miantso an'Andriamanitra ho "Tompo" ary miantso an'i Kristy ho "Tompoko" DH: "niteny momba ny Mesia, 'Andriamanitra niteny tamin'ny Tompoko" # mipetraha eo an-tanana ankavanako, Izany dia teny avy ao amin'ny salamo izay notenenin'i Jesosy. Eto Andriamanitra dia miresaka amin'i Kristy. # mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao Amin'ity fitenenana ity, Andriamanitra dia milaza ny fandresena ireo fahavalo amin'ny fanaovana azy ireo ho fitoeran-tongotra. DH: "mandram-pandreseko tanteraka ireo fahavalonao" # niantso Azy hoe 'Tompo,' Eto ny teny hoe: "Azy" dia maneho ny Mesia. # koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy? Afaka atao ihany koa hoe: "koa ahoana no hiheverana fa zanak'i Davida ny Mesia"