plt_tn/mrk/12/32.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy nandoka ilay mpanora-dalàna amin'ny fanehoan-kevitra nataony tamin'izay nolazain'i Jesosy.

Tsara izany

"Valin-teny tsara"

Andriamanitra dia Iray

Izany dia midika fa Andriamanitra iray ihany no misy. DH: "Andriamanitra iray ihany no misy"

ary tsy misy afa-tsy Izy

Afaka atao ihany koa hoe: "tsy misy Andriamanitra hafa"

amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra

Ny "fo" sy "fanahy" dia hevitra ambadiky ny faniriana sy fihetsem-pon'ny olona. Ny "saina" dia maneho ny eritreritry ny olona iray ary ny "tanjany" dia maneho ny tanjaky ny olona iray rehefa manao zavatra. DH: "amin'izay fanirianao rehetra sy ny fihetsem-ponao rehetra, amin'izay eritreritrao rehetra, ary izay ataonao rehetra"

ny fo ... ny saina ... ny hery

Afaka atao ihany koa hoe: "ny fonao ... ny sainao ... ny herinao"

mitia ny namana tahaka ny tena

Fanoharana izay mampitaha ny fitiavan'ny olona ny olon-kafa amin'ny fitiavany ny tenan'izy ireo. DH: "mitia ny namanao tahaka ny hitiavanao ny tenanao"

dia tsara lavitra mihoatra ny

Io fomba fiteny io dia midika fa ny zavatra iray dia manan-danja kokoa nohon'ny zavatra iray hafa. Amin'ity tranga ity, ireo didy roa ireo dia ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa noho ny fanolorana fanatitra nodorana sy sorona. DH: "dia manan-danja kokoa" na "ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa"

Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao

Eto Jesosy dia miresaka momba ilay lehilahy izay efa vonona hanaiky an'Andriamanitra ho mpanjaka. DH: "Ianao dia efa akaikin'ny fanekena an'Andriamanitra ho mpanjaka"

dia tsy nisy olona sahy

Afaka atao hoe: "natahotra ny olon-drehetra"