plt_tn/mrk/12/32.md

41 lines
1.7 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Jesosy nandoka ilay mpanora-dalàna amin'ny fanehoan-kevitra nataony tamin'izay nolazain'i Jesosy.
# Tsara izany
"Valin-teny tsara"
# Andriamanitra dia Iray
Izany dia midika fa Andriamanitra iray ihany no misy. DH: "Andriamanitra iray ihany no misy"
# ary tsy misy afa-tsy Izy
Afaka atao ihany koa hoe: "tsy misy Andriamanitra hafa"
# amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra
Ny "fo" sy "fanahy" dia hevitra ambadiky ny faniriana sy fihetsem-pon'ny olona.
Ny "saina" dia maneho ny eritreritry ny olona iray ary ny "tanjany" dia maneho ny tanjaky ny olona iray rehefa manao zavatra. DH: "amin'izay fanirianao rehetra sy ny fihetsem-ponao rehetra, amin'izay eritreritrao rehetra, ary izay ataonao rehetra"
# ny fo ... ny saina ... ny hery
Afaka atao ihany koa hoe: "ny fonao ... ny sainao ... ny herinao"
# mitia ny namana tahaka ny tena
Fanoharana izay mampitaha ny fitiavan'ny olona ny olon-kafa amin'ny fitiavany ny tenan'izy ireo. DH: "mitia ny namanao tahaka ny hitiavanao ny tenanao"
# dia tsara lavitra mihoatra ny
Io fomba fiteny io dia midika fa ny zavatra iray dia manan-danja kokoa nohon'ny zavatra iray hafa. Amin'ity tranga ity, ireo didy roa ireo dia ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa noho ny fanolorana fanatitra nodorana sy sorona. DH: "dia manan-danja kokoa" na "ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa"
# Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao
Eto Jesosy dia miresaka momba ilay lehilahy izay efa vonona hanaiky an'Andriamanitra ho mpanjaka. DH: "Ianao dia efa akaikin'ny fanekena an'Andriamanitra ho mpanjaka"
# dia tsy nisy olona sahy
Afaka atao hoe: "natahotra ny olon-drehetra"