# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jesosy nandoka ilay mpanora-dalàna amin'ny fanehoan-kevitra nataony tamin'izay nolazain'i Jesosy. # Tsara izany "Valin-teny tsara" # Andriamanitra dia Iray Izany dia midika fa Andriamanitra iray ihany no misy. DH: "Andriamanitra iray ihany no misy" # ary tsy misy afa-tsy Izy Afaka atao ihany koa hoe: "tsy misy Andriamanitra hafa" # amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra Ny "fo" sy "fanahy" dia hevitra ambadiky ny faniriana sy fihetsem-pon'ny olona. Ny "saina" dia maneho ny eritreritry ny olona iray ary ny "tanjany" dia maneho ny tanjaky ny olona iray rehefa manao zavatra. DH: "amin'izay fanirianao rehetra sy ny fihetsem-ponao rehetra, amin'izay eritreritrao rehetra, ary izay ataonao rehetra" # ny fo ... ny saina ... ny hery Afaka atao ihany koa hoe: "ny fonao ... ny sainao ... ny herinao" # mitia ny namana tahaka ny tena Fanoharana izay mampitaha ny fitiavan'ny olona ny olon-kafa amin'ny fitiavany ny tenan'izy ireo. DH: "mitia ny namanao tahaka ny hitiavanao ny tenanao" # dia tsara lavitra mihoatra ny Io fomba fiteny io dia midika fa ny zavatra iray dia manan-danja kokoa nohon'ny zavatra iray hafa. Amin'ity tranga ity, ireo didy roa ireo dia ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa noho ny fanolorana fanatitra nodorana sy sorona. DH: "dia manan-danja kokoa" na "ankasitrahan'Andriamanitra lavitra kokoa" # Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao Eto Jesosy dia miresaka momba ilay lehilahy izay efa vonona hanaiky an'Andriamanitra ho mpanjaka. DH: "Ianao dia efa akaikin'ny fanekena an'Andriamanitra ho mpanjaka" # dia tsy nisy olona sahy Afaka atao hoe: "natahotra ny olon-drehetra"