plt_tn/mrk/12/01.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Jesosy miteny izany fanoharana izany hanoherana ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona.
# Nanomboka nampianatra azy ireo Jesosy
Ny teny hoe: "izy ireo" eto dia maneho an'ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona izay noresahin'i Jesosy tao amin'ny toko teo aloha.
# nanisy fefy manodidina izany
Izy nanisy fefy nanodidina ny tanim-boaloboka. Mety ho fefy hazo, na rindrina vato izany.
# ary nandavaka famiazana
Izany dia midika fa nandavaka teo amin'ny vatolampy izy, izay famiazana voaloboka mba hahazoana ny ranony. DH: " nanamboatra fitehirizana izy mba hanangonana ny ranom-boaloboka avy amin'ny famiazana"
# nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka
Izany dia midika fa ilay tompon'ilay tanim-boaloboka dia nifampiraharaha tamin'ny olon-kafa mba hikarakara ny voaloboka. Ilay mpamboly voaloboka dia hahazo anjara amin'ny vokatra ho karaman'ny asan'izy ireo.
# Tamin'ny fotoana mety
Izany dia maneho ny fotoam-bokatra. DH: "Rehefa tonga ny fotoana fiakaran'ny vokatra"
# Fa nosamborin'izy ireo izy
"Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboka ilay mpanompo"
# tsy hitondra na inona na inona
Izany dia midika fa tsy nanome voaloboka azy izy ireo. DH: "tsy nitondra na dia voaloboka iray aza"