plt_tn/mrk/12/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy miteny izany fanoharana izany hanoherana ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona.

Nanomboka nampianatra azy ireo Jesosy

Ny teny hoe: "izy ireo" eto dia maneho an'ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona izay noresahin'i Jesosy tao amin'ny toko teo aloha.

nanisy fefy manodidina izany

Izy nanisy fefy nanodidina ny tanim-boaloboka. Mety ho fefy hazo, na rindrina vato izany.

ary nandavaka famiazana

Izany dia midika fa nandavaka teo amin'ny vatolampy izy, izay famiazana voaloboka mba hahazoana ny ranony. DH: " nanamboatra fitehirizana izy mba hanangonana ny ranom-boaloboka avy amin'ny famiazana"

nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka

Izany dia midika fa ilay tompon'ilay tanim-boaloboka dia nifampiraharaha tamin'ny olon-kafa mba hikarakara ny voaloboka. Ilay mpamboly voaloboka dia hahazo anjara amin'ny vokatra ho karaman'ny asan'izy ireo.

Tamin'ny fotoana mety

Izany dia maneho ny fotoam-bokatra. DH: "Rehefa tonga ny fotoana fiakaran'ny vokatra"

Fa nosamborin'izy ireo izy

"Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboka ilay mpanompo"

tsy hitondra na inona na inona

Izany dia midika fa tsy nanome voaloboka azy izy ireo. DH: "tsy nitondra na dia voaloboka iray aza"