# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jesosy miteny izany fanoharana izany hanoherana ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona. # Nanomboka nampianatra azy ireo Jesosy Ny teny hoe: "izy ireo" eto dia maneho an'ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona izay noresahin'i Jesosy tao amin'ny toko teo aloha. # nanisy fefy manodidina izany Izy nanisy fefy nanodidina ny tanim-boaloboka. Mety ho fefy hazo, na rindrina vato izany. # ary nandavaka famiazana Izany dia midika fa nandavaka teo amin'ny vatolampy izy, izay famiazana voaloboka mba hahazoana ny ranony. DH: " nanamboatra fitehirizana izy mba hanangonana ny ranom-boaloboka avy amin'ny famiazana" # nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka Izany dia midika fa ilay tompon'ilay tanim-boaloboka dia nifampiraharaha tamin'ny olon-kafa mba hikarakara ny voaloboka. Ilay mpamboly voaloboka dia hahazo anjara amin'ny vokatra ho karaman'ny asan'izy ireo. # Tamin'ny fotoana mety Izany dia maneho ny fotoam-bokatra. DH: "Rehefa tonga ny fotoana fiakaran'ny vokatra" # Fa nosamborin'izy ireo izy "Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboka ilay mpanompo" # tsy hitondra na inona na inona Izany dia midika fa tsy nanome voaloboka azy izy ireo. DH: "tsy nitondra na dia voaloboka iray aza"