plt_tn/mrk/09/30.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy sy ireo mpianany niala ny trano izay nisy azy ireo taorian'ny nanasitranany an'ilay zazalahy nisy demonia. Naka fotoana hampianarana mitokana an'ireo mpianany Izy.

Niala teo izy ireo

"Niala teo amin'io faritra io Jesosy sy ireo mpianany"

nandalo tany Galilia

"nandalo tamin'i Galilia"

fa nampianatra ireo mpianany Izy

Jesosy nampianatra mitokana an'ireo mpianany, lavitry ireo vahoaka. DH: "nampianatra mitokana an'ireo mpianany Izy"

Zanak'Olona

Eto Jesosy dia maneho ny tenany manokana tahaka ny Zanak'Olona. Fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy. "Izaho, no Zanak'Olona,"

eny an-tanan'ny olona

Eto ny "tanana" dia hevitra ambadiky ny fahefana. DH: "eo amin'ny fahefan'ny olombelona"

Ary rehefa novonoina Izy, dia hitsangana amin'ny maty indray afaka telo andro

Afaka atao ihany koa hoe: "Taorian'ny namonoan'izy ireo Azy ary afaka telo andro dia,"

ary natahotra izy ireo hanontany Azy

Natahotra ny hanontany an'i Jesosy ny amin'izay tiany ho tenenina izy ireo. DH: "Natahotra ny hanontany Azy ny amin'izay tiany ho tenenina izy ireo"