# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jesosy sy ireo mpianany niala ny trano izay nisy azy ireo taorian'ny nanasitranany an'ilay zazalahy nisy demonia. Naka fotoana hampianarana mitokana an'ireo mpianany Izy. # Niala teo izy ireo "Niala teo amin'io faritra io Jesosy sy ireo mpianany" # nandalo tany Galilia "nandalo tamin'i Galilia" # fa nampianatra ireo mpianany Izy Jesosy nampianatra mitokana an'ireo mpianany, lavitry ireo vahoaka. DH: "nampianatra mitokana an'ireo mpianany Izy" # Zanak'Olona Eto Jesosy dia maneho ny tenany manokana tahaka ny Zanak'Olona. Fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy. "Izaho, no Zanak'Olona," # eny an-tanan'ny olona Eto ny "tanana" dia hevitra ambadiky ny fahefana. DH: "eo amin'ny fahefan'ny olombelona" # Ary rehefa novonoina Izy, dia hitsangana amin'ny maty indray afaka telo andro Afaka atao ihany koa hoe: "Taorian'ny namonoan'izy ireo Azy ary afaka telo andro dia," # ary natahotra izy ireo hanontany Azy Natahotra ny hanontany an'i Jesosy ny amin'izay tiany ho tenenina izy ireo. DH: "Natahotra ny hanontany Azy ny amin'izay tiany ho tenenina izy ireo"