plt_tn/mrk/08/33.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Taorian'ny nitenenany mafy an'i Petera noho ny tsy fitiavany an'i Jesosy ho faty ary hitsangana indray, Jesosy niteny tamin'ireo mpianany sy ireo vahoaka ny fomba hanarahana Azy.
# Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Tsy misaina ianao
Ny tian'i Jesosy lazaina dia hoe: mihevitra toa an'i Satana Petera satria izy dia misakana an'i Jesosy amin'ny fanatanterahana izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria tsy misaina" na "Mialà lavitra Ahy, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Tsy misaina ianao"
# Mialà lavitra Ahy
"Any ivohoko ianao"
# hanaraka Ahy
Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho hoe ho isan'ireo mpianany. DH: "tongava ho mpianatro" na "tongava ho isan'ireo mpianatro"
# dia tsy maintsy mandà ny tenany
"tsy manatanteraka ny sitrapony manokana" na "tsy maintsy mahafoy ny faniriany manokana"
# maka ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy
"mitondra ny hazofijalianay sy manaraka Azy." Ny hazofijaliana dia maneho fahoriana sy fahafatesana. Ny fandraisana ny hazofijaliana dia maneho ny sitrapo te-hijaly sy te-ho faty. DH: "tsy maintsy mankato Ahy na dia hijaly sy ho faty aza"
# ary manaraka Ahy
Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho fankatoavana Azy. DH: "ary mankato Ahy"