# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Taorian'ny nitenenany mafy an'i Petera noho ny tsy fitiavany an'i Jesosy ho faty ary hitsangana indray, Jesosy niteny tamin'ireo mpianany sy ireo vahoaka ny fomba hanarahana Azy. # Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Tsy misaina ianao Ny tian'i Jesosy lazaina dia hoe: mihevitra toa an'i Satana Petera satria izy dia misakana an'i Jesosy amin'ny fanatanterahana izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria tsy misaina" na "Mialà lavitra Ahy, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Tsy misaina ianao" # Mialà lavitra Ahy "Any ivohoko ianao" # hanaraka Ahy Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho hoe ho isan'ireo mpianany. DH: "tongava ho mpianatro" na "tongava ho isan'ireo mpianatro" # dia tsy maintsy mandà ny tenany "tsy manatanteraka ny sitrapony manokana" na "tsy maintsy mahafoy ny faniriany manokana" # maka ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy "mitondra ny hazofijalianay sy manaraka Azy." Ny hazofijaliana dia maneho fahoriana sy fahafatesana. Ny fandraisana ny hazofijaliana dia maneho ny sitrapo te-hijaly sy te-ho faty. DH: "tsy maintsy mankato Ahy na dia hijaly sy ho faty aza" # ary manaraka Ahy Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho fankatoavana Azy. DH: "ary mankato Ahy"