plt_tn/mrk/08/33.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Taorian'ny nitenenany mafy an'i Petera noho ny tsy fitiavany an'i Jesosy ho faty ary hitsangana indray, Jesosy niteny tamin'ireo mpianany sy ireo vahoaka ny fomba hanarahana Azy.

Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Tsy misaina ianao

Ny tian'i Jesosy lazaina dia hoe: mihevitra toa an'i Satana Petera satria izy dia misakana an'i Jesosy amin'ny fanatanterahana izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mialà lavitra Ahy, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria tsy misaina" na "Mialà lavitra Ahy, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Tsy misaina ianao"

Mialà lavitra Ahy

"Any ivohoko ianao"

hanaraka Ahy

Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho hoe ho isan'ireo mpianany. DH: "tongava ho mpianatro" na "tongava ho isan'ireo mpianatro"

dia tsy maintsy mandà ny tenany

"tsy manatanteraka ny sitrapony manokana" na "tsy maintsy mahafoy ny faniriany manokana"

maka ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy

"mitondra ny hazofijalianay sy manaraka Azy." Ny hazofijaliana dia maneho fahoriana sy fahafatesana. Ny fandraisana ny hazofijaliana dia maneho ny sitrapo te-hijaly sy te-ho faty. DH: "tsy maintsy mankato Ahy na dia hijaly sy ho faty aza"

ary manaraka Ahy

Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho fankatoavana Azy. DH: "ary mankato Ahy"