plt_tn/mrk/07/11.md

1022 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny UDB dia mampiasa andininy tetezamita mba hampifandraisana ny andininy faha 11 sy 12 hampazava kokoa izay tenenin'i Jesosy amin'ireo Fariseo.

Na inona na inona tianao ho azo tamiko dia efa Korbana

Ny fomban-drazan'ireo mpanora-dalàna dia hoe raha vao nampanantenaina ho an'ny tempoly ny vola na zavatra hafa, dia tsy afaka ampiasaina amin'ny tanjona hafa intsony.

Korbana

Eto ny mpanoratra dia maneho zavatra izay amin'ny teny Hebreo. Io teny io dia afaka adika amin'ny abidian'ny fitenim-paritrao.

Nomena an'Andriamanitra

Afaka atao hoe: "Nanome an'Andriamanitra aho"

dia tsy avelanareo hanao na inona na inona amin'ny rainy sy ny reniny intsony izy

Amin'ny fanaovana izany, ireo Fariseo dia mamela ny olona tsy hanome ny ray aman-dreniny, raha toa izy ireo ka mampanantena hanome an'Andriamanitra izay tokony homena azy ireo.

Manafoana

nofoanana

Ary zavatra maro mitovy amin'izany koa no ataonareo

"Ary ianareo dia manao zavatra maro mitovy amin'izany"