# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny UDB dia mampiasa andininy tetezamita mba hampifandraisana ny andininy faha 11 sy 12 hampazava kokoa izay tenenin'i Jesosy amin'ireo Fariseo. # Na inona na inona tianao ho azo tamiko dia efa Korbana Ny fomban-drazan'ireo mpanora-dalàna dia hoe raha vao nampanantenaina ho an'ny tempoly ny vola na zavatra hafa, dia tsy afaka ampiasaina amin'ny tanjona hafa intsony. # Korbana Eto ny mpanoratra dia maneho zavatra izay amin'ny teny Hebreo. Io teny io dia afaka adika amin'ny abidian'ny fitenim-paritrao. # Nomena an'Andriamanitra Afaka atao hoe: "Nanome an'Andriamanitra aho" # dia tsy avelanareo hanao na inona na inona amin'ny rainy sy ny reniny intsony izy Amin'ny fanaovana izany, ireo Fariseo dia mamela ny olona tsy hanome ny ray aman-dreniny, raha toa izy ireo ka mampanantena hanome an'Andriamanitra izay tokony homena azy ireo. # Manafoana nofoanana # Ary zavatra maro mitovy amin'izany koa no ataonareo "Ary ianareo dia manao zavatra maro mitovy amin'izany"