plt_tn/mrk/06/14.md

1004 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa nandre momba ireo fahagagan'i Jesosy i Heroda, dia niahiahy izy, nieritreritra fa nisy olona iray nanangana tamin'ny maty an'i Jaona mpanao Batisa. (Heroda dia nampamono an'i Jaona mpanao Batisa.)

Ren'i Heroda mpanjaka izany

Ny teny hoe: "izany" dia maneho ny zavatra izay nataon'i Jesosy sy ireo mpianany tamin'ny karazan-tanàna maro, tao anatin'izany ny fandroahana demonia sy fanasitranana olona.

Ny sasany nilaza hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa

Ny olona sasany nilaza fa Jesosy dia i Jaona mpanao Batisa. Afaka atao mazava kokoa hoe: "Ny sasany dia nilaza fa: 'Izy no Joany ilay mpanao batisa"

Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa

Afaka atao hoe: "Andriamanitra nanangana an'i Jaona mpanao batisa"

Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: "Elia Izy."

Manampy be ny filazana hoe nahoana ny olona no nieritreritra fa Elia Izy. DH: "Ny sasany dia niteny hoe: Elia Izy, ilay nampanantenain'Andriamanitra ho averina indray."'