plt_tn/mrk/06/14.md

20 lines
1004 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Rehefa nandre momba ireo fahagagan'i Jesosy i Heroda, dia niahiahy izy, nieritreritra fa nisy olona iray nanangana tamin'ny maty an'i Jaona mpanao Batisa. (Heroda dia nampamono an'i Jaona mpanao Batisa.)
# Ren'i Heroda mpanjaka izany
Ny teny hoe: "izany" dia maneho ny zavatra izay nataon'i Jesosy sy ireo mpianany tamin'ny karazan-tanàna maro, tao anatin'izany ny fandroahana demonia sy fanasitranana olona.
# Ny sasany nilaza hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa
Ny olona sasany nilaza fa Jesosy dia i Jaona mpanao Batisa. Afaka atao mazava kokoa hoe: "Ny sasany dia nilaza fa: 'Izy no Joany ilay mpanao batisa"
# Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa
Afaka atao hoe: "Andriamanitra nanangana an'i Jaona mpanao batisa"
# Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: "Elia Izy."
Manampy be ny filazana hoe nahoana ny olona no nieritreritra fa Elia Izy. DH: "Ny sasany dia niteny hoe: Elia Izy, ilay nampanantenain'Andriamanitra ho averina indray."'