# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Rehefa nandre momba ireo fahagagan'i Jesosy i Heroda, dia niahiahy izy, nieritreritra fa nisy olona iray nanangana tamin'ny maty an'i Jaona mpanao Batisa. (Heroda dia nampamono an'i Jaona mpanao Batisa.) # Ren'i Heroda mpanjaka izany Ny teny hoe: "izany" dia maneho ny zavatra izay nataon'i Jesosy sy ireo mpianany tamin'ny karazan-tanĂ na maro, tao anatin'izany ny fandroahana demonia sy fanasitranana olona. # Ny sasany nilaza hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa Ny olona sasany nilaza fa Jesosy dia i Jaona mpanao Batisa. Afaka atao mazava kokoa hoe: "Ny sasany dia nilaza fa: 'Izy no Joany ilay mpanao batisa" # Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa Afaka atao hoe: "Andriamanitra nanangana an'i Jaona mpanao batisa" # Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: "Elia Izy." Manampy be ny filazana hoe nahoana ny olona no nieritreritra fa Elia Izy. DH: "Ny sasany dia niteny hoe: Elia Izy, ilay nampanantenain'Andriamanitra ho averina indray."'