plt_tn/mrk/05/21.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Taorian'ny nanasitranan'i Jesosy an'ilay lehilahy nisy demonia tao amin'ny faritr'i Gerasa, Jesosy sy ireo mpianany niverina namakivaky ny farihin'i Kapernaomy toerana izay nangatahan'ny iray tamin'ireo mpanapaka ny synagoga hanasitranana ny zanaka vaviny.
# teny am-pita
DH: "am-pitan'ny ranomasina"
# amoron'ny ranomasina
"teny amoron-dranomasina" na "teny amin'ny sisin-dranomasina"
# ranomasina
Io dia ny ranomasin'i Galilia
# Jairo
Anaran'ilay lehilahy.
# Dia lasa niaraka taminy Izy
"Dia lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy." Ireo mpianatr'i Jesosy ihany koa dia niaraka taminy. DH: "Ka lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy sy ireo mpianany"
# apetraho ny tananao
Ny "Mametra-tanana" dia maneho mpaminany na mpampianatra mametraka ny tanany amin'ny olona iray ka na manome fanasitranana na fanasoavana. Amin'io tranga io, Jario dia mangataka an'i Jesosy mba hanasitrana ny zanaka vaviny.
# mba ho sitrana sy ho velona izy
Afaka atao ihany koa hoe: "hanasitrana azy sy hahavelona azy"
# nanery nanodidina Azy
Izany dia midika fa nitangorona nanodidina an'i Jesosy ny vahoaka ary nifanosika mba ho akaiky an'i Jesosy.