plt_tn/mrk/05/21.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Taorian'ny nanasitranan'i Jesosy an'ilay lehilahy nisy demonia tao amin'ny faritr'i Gerasa, Jesosy sy ireo mpianany niverina namakivaky ny farihin'i Kapernaomy toerana izay nangatahan'ny iray tamin'ireo mpanapaka ny synagoga hanasitranana ny zanaka vaviny.

teny am-pita

DH: "am-pitan'ny ranomasina"

amoron'ny ranomasina

"teny amoron-dranomasina" na "teny amin'ny sisin-dranomasina"

ranomasina

Io dia ny ranomasin'i Galilia

Jairo

Anaran'ilay lehilahy.

Dia lasa niaraka taminy Izy

"Dia lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy." Ireo mpianatr'i Jesosy ihany koa dia niaraka taminy. DH: "Ka lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy sy ireo mpianany"

apetraho ny tananao

Ny "Mametra-tanana" dia maneho mpaminany na mpampianatra mametraka ny tanany amin'ny olona iray ka na manome fanasitranana na fanasoavana. Amin'io tranga io, Jario dia mangataka an'i Jesosy mba hanasitrana ny zanaka vaviny.

mba ho sitrana sy ho velona izy

Afaka atao ihany koa hoe: "hanasitrana azy sy hahavelona azy"

nanery nanodidina Azy

Izany dia midika fa nitangorona nanodidina an'i Jesosy ny vahoaka ary nifanosika mba ho akaiky an'i Jesosy.