# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Taorian'ny nanasitranan'i Jesosy an'ilay lehilahy nisy demonia tao amin'ny faritr'i Gerasa, Jesosy sy ireo mpianany niverina namakivaky ny farihin'i Kapernaomy toerana izay nangatahan'ny iray tamin'ireo mpanapaka ny synagoga hanasitranana ny zanaka vaviny. # teny am-pita DH: "am-pitan'ny ranomasina" # amoron'ny ranomasina "teny amoron-dranomasina" na "teny amin'ny sisin-dranomasina" # ranomasina Io dia ny ranomasin'i Galilia # Jairo Anaran'ilay lehilahy. # Dia lasa niaraka taminy Izy "Dia lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy." Ireo mpianatr'i Jesosy ihany koa dia niaraka taminy. DH: "Ka lasa niaraka tamin'i Jairo Jesosy sy ireo mpianany" # apetraho ny tananao Ny "Mametra-tanana" dia maneho mpaminany na mpampianatra mametraka ny tanany amin'ny olona iray ka na manome fanasitranana na fanasoavana. Amin'io tranga io, Jario dia mangataka an'i Jesosy mba hanasitrana ny zanaka vaviny. # mba ho sitrana sy ho velona izy Afaka atao ihany koa hoe: "hanasitrana azy sy hahavelona azy" # nanery nanodidina Azy Izany dia midika fa nitangorona nanodidina an'i Jesosy ny vahoaka ary nifanosika mba ho akaiky an'i Jesosy.