plt_tn/mat/27/51.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fiantombohan'ny fitantarana ireo tranga niseho rehefa maty i Jesosy.

Indro

Ny teny hoe "indro" dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny fampahafantarana mahatalanjona izay ho avy manaraka eo.

ny lamban'ny tempoly nitriatra roa

Azo atao hoe DH: "nizara roa ny lamban'ny tempoly" na "nataon'Andriamanitra nizara roa ny lamban'ny tempoly"

Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin'ireo olon'Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana

Azo atao hoe DH: "Nosokafan'Andriamanitra ireo fasana ary natsangany ireo fatin'ny olon'Andriamanitra izay efa maty"

izay nodimandry

Fomba mihaja ilazana ny hoe maty io. DH: "maty"

Nisokatra ireo fasana ... niseho tamin'ny maro

Tsy dia mazava tsara ny filaharan'ny zava-mitranga. Taorian'ny horohoron-tany tamin'ny maty i Jesosy dia nisokatra ireo fasana 1) velona indray ireo olo-masina, ary taorian'ny nahaveloman'i Jesosy indray, dia niditra tao Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo ny olo-masina, na 2) Velona indray i Jesosy, avy eo dia velona indray ireo masina ary niditra ny tanànan'i Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo.