# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity no fiantombohan'ny fitantarana ireo tranga niseho rehefa maty i Jesosy. # Indro Ny teny hoe "indro" dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny fampahafantarana mahatalanjona izay ho avy manaraka eo. # ny lamban'ny tempoly nitriatra roa Azo atao hoe DH: "nizara roa ny lamban'ny tempoly" na "nataon'Andriamanitra nizara roa ny lamban'ny tempoly" # Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin'ireo olon'Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana Azo atao hoe DH: "Nosokafan'Andriamanitra ireo fasana ary natsangany ireo fatin'ny olon'Andriamanitra izay efa maty" # izay nodimandry Fomba mihaja ilazana ny hoe maty io. DH: "maty" # Nisokatra ireo fasana ... niseho tamin'ny maro Tsy dia mazava tsara ny filaharan'ny zava-mitranga. Taorian'ny horohoron-tany tamin'ny maty i Jesosy dia nisokatra ireo fasana 1) velona indray ireo olo-masina, ary taorian'ny nahaveloman'i Jesosy indray, dia niditra tao Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo ny olo-masina, na 2) Velona indray i Jesosy, avy eo dia velona indray ireo masina ary niditra ny tanĂ nan'i Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo.