plt_tn/mat/27/51.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ity no fiantombohan'ny fitantarana ireo tranga niseho rehefa maty i Jesosy.
# Indro
Ny teny hoe "indro" dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny fampahafantarana mahatalanjona izay ho avy manaraka eo.
# ny lamban'ny tempoly nitriatra roa
Azo atao hoe DH: "nizara roa ny lamban'ny tempoly" na "nataon'Andriamanitra nizara roa ny lamban'ny tempoly"
# Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin'ireo olon'Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana
Azo atao hoe DH: "Nosokafan'Andriamanitra ireo fasana ary natsangany ireo fatin'ny olon'Andriamanitra izay efa maty"
# izay nodimandry
Fomba mihaja ilazana ny hoe maty io. DH: "maty"
# Nisokatra ireo fasana ... niseho tamin'ny maro
Tsy dia mazava tsara ny filaharan'ny zava-mitranga. Taorian'ny horohoron-tany tamin'ny maty i Jesosy dia nisokatra ireo fasana 1) velona indray ireo olo-masina, ary taorian'ny nahaveloman'i Jesosy indray, dia niditra tao Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo ny olo-masina, na 2) Velona indray i Jesosy, avy eo dia velona indray ireo masina ary niditra ny tanànan'i Jerosalema izay nahitan'ny olona maro azy ireo.