plt_tn/mat/27/38.md

630 B

Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy

Azo atao hoe DH: "Nisy jiolahy roa voahombon'ireo miaramila niaraka tamin'i Jesosy"

nanivingivina ny lohan'izy ireo

Nanao izany izy ireo mba ho fiomehezana i Jesosy.

Raha Ianao no Zanak'Andriamanitra, midinà avy eny amin'ny hazofijaliana

Tsy nino izy ireo fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy, noho izany dia te hanaporofo izy ireo raha tena marina izany. DH: "Raha Ianao no Zanak'Andriamanitra, porofoy izany amin'ny fidinanao avy eo amin'ny hazofijaliana"

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.