plt_tn/mat/24/01.md

866 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka mamaritra ireo tranga izay hiseho mialohan'ny ahatongavany indray amin'ny andro farany i Jesosy.

Nivoaka ny tempoly

Tsy tao anatin'ilay tempoly i Jesosy. Teo amin'ny tokontany manodidina ny tempoly Izy.

Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampisainana tsara ireo mpianany ny amin'izay ho lazainy amin'izy ireo. DH: "Mamelà Ahy hilaza zavatra aminareo momba ireo fanorenana ireo"

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

tsy hisy vato ho tavela amin'ny iray hafa izay tsy ho ravàna

Misy hevitra ambadika izany fa hisy miaramila fahavalo handrava ireo vato. Azo adika hoe DH:" Rehefa tonga ireo miaramila fahavalo, dia handrava ny vato rehetra eo amin'ireo fanorenana ireo izy ireo"