# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manomboka mamaritra ireo tranga izay hiseho mialohan'ny ahatongavany indray amin'ny andro farany i Jesosy. # Nivoaka ny tempoly Tsy tao anatin'ilay tempoly i Jesosy. Teo amin'ny tokontany manodidina ny tempoly Izy. # Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampisainana tsara ireo mpianany ny amin'izay ho lazainy amin'izy ireo. DH: "Mamelà Ahy hilaza zavatra aminareo momba ireo fanorenana ireo" # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io. # tsy hisy vato ho tavela amin'ny iray hafa izay tsy ho ravàna Misy hevitra ambadika izany fa hisy miaramila fahavalo handrava ireo vato. Azo adika hoe DH:" Rehefa tonga ireo miaramila fahavalo, dia handrava ny vato rehetra eo amin'ireo fanorenana ireo izy ireo"