plt_tn/mat/23/37.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mitomany an'ireo olon'i Jerosalema i Jesosy satria lavin'izy ireo ny mpitondra hafatra rehetra izay irahin'Andriamanitra amin'izy ireo.

Ry Jerosalema, ry Jerosalema

Jesosy dia miresaka amin'ireo vahoakan'i Jerosalema toy ny hoe ilay tanàna mihitsy izy ireo.

izay irahina ho aminao

Azo atao hoe DH: "ireo izay irahin'Andriamanitra"

zanakao

Ataon'i Jesosy toy ny hoe vehivavy i Jerosalema ary ny vahoaka no zanany. DH: "ny vahoakanao" na "ireo mponinao"

tahaka ny akoho vavy iray manangona ny akoho kely ao ambany elany

Io dia fampitahana izay mananamafy ny fitiavan'i Jesosy ireo olona sy ny fitiavany te hikarakara azy ireo.

akoho vavy

Azonao andikana azy avokoa ireo biby izay miaro ireo zanany ao ambany elany.

ny tranonareo no avela ho lao ho anareo

"Ho avelan'Andriamanitra ny tranonareo, ary ho foana izay"

ny tranonareo

Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tanànan'i Jerosalema"na 2) "ny tempoly"

lazaiko aminareo

Manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka io.

Isaorana anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo

Eto ny hoe "amin'ny anaran'ny" dia midika hoe "amin'ny herin'ny" na "amin'ny maha mpisolo-tena." DH: "Isaorana Izy izay tonga amin'ny herin'ny Tompo" na "Hisarorana anie Izy izay tonga ho mpisolo-tenan'ny Tompo." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 21:19.